Andininy
Protestanta Malagasy
5
Tamin'izay dia nisy rantsan- tànan'olona niseho ka nanoratra tandrifin'ny jiro tamin'ny lalotra sokay teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D01C140B-007C-48CF-9BA5-0C7A0F0D02B4
6
Dia nivaloarika ny tarehin'ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7701FA7-74F2-48B6-A2CE-C15246C59D98
7
Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'ny olon-kendrin'i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F10F2E9A-0245-4D01-9D27-11AD9EFB4A54
8
Dia niditra avokoa ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFC3D725-3866-4162-B614-3409F507718A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany