Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEB4E46E-96F6-4CB8-B549-BEBA43642F9B
2
Sitrak'i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55695648-49BF-4340-B03A-ED6BD5A92154
3
Koa tamin'ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin'ireo, mba hilazan'ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60BEDB56-31C6-47F0-A819-22CCBA2E89AF
4
Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77F1E26B-60B4-4853-AC8B-4F61A432ED5E
5
Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB6CA089-C92E-4E1D-B6AB-2389BB31DEB1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany