Andininy
Protestanta Malagasy
11
Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E90164FC-A38E-470F-A5EE-0D76F090DE79
12
Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan'Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F0C45DB-CE62-4A0D-8651-090205E5650E
13
Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan'ny mpanjaka noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin'Andriamanitra na amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2182FB65-30CE-452B-8D0A-15A774140536
14
Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56085023-6EAB-4E62-9935-520022FC2FCE
15
Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an'i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C41EE4AF-DEDB-424B-AAFC-3B166768D500
16
Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn'ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CA18309-CB9F-431F-96A3-51056293F70D
17
Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|689CE5B2-8B78-4B70-AB32-48330B306F24
18
Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin'i Daniela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|551764B4-7E4A-428C-86ED-D9A088B07758
19
Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno* nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.[Na: zazavavy mpandihy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4B7F735-02BE-40C2-B062-8DBFF6A64161
20
Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36F19C69-DEBE-4687-8080-19577C9C9803
21
Ary nony tonga teo amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C63F975-1D95-456A-ABC7-AA284D5AC6AB
22
Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59E7F6C6-68D4-4931-90E5-9CB4D7A01627
23
Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73E8415A-BFB7-4DF6-824B-DF1ED92089AC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany