Andininy
Protestanta Malagasy
24
Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|334FAD93-7867-443D-83F3-4EA57888B5B7
25
Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga* an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D1D2C61-45B2-454E-98C6-6170EA45C874
26
Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3EA0365-CD5A-4581-8DEB-03E4A347AE4D
27
Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DBE40B3-BE53-4A97-96B9-36A7A91BEA78
28
Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F40B0C6-8A14-499D-8FE1-8DC87F4CEF81
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany