Andininy
Protestanta Malagasy
6
Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8699E690-9B4B-401A-B837-B680FBB4A4F2
7
Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8FC538C-A930-4941-AFAC-A5A2A0AFAA20
8
Ny komandy lehibe rehetra amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin'ny telo-polo andro, na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC4D3A24-84E2-4BC2-ADA5-191C9D9BB82E
9
Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF8214B8-3662-432A-985C-64A98BB79B03
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany