Andininy
Protestanta Malagasy
9
Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70424651-5F8B-4A67-A8B7-06A8CE8E54DD
10
Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FBF547C-7555-483F-8ACC-9E407316E233
11
Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86358629-AE1C-458A-AD61-9D501654391C
12
Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8807F1A1-E22D-4BCD-B1C2-7D605BC7DD15
13
Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A371FFE8-5BB6-4411-8D2B-DFD827F773FE
14
Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39F47D39-F1A2-4DD7-9C01-206D80DF3D9F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany