Andininy
Protestanta Malagasy
3
Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|528E4D1F-6D55-4454-9ED1-A0ADAF3B4B89
4
Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe*.[Na: niavonavona]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|431342E7-75BD-4A32-B6AB-B8BC98DA7C60
5
Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34ED82CA-4BE5-4A37-98DE-AFE9CE0EABE0
6
Ary izy nankeo amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron'ny ony, ka nanazakazaka azy tamin'ny fahatezeran'ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C658CB73-9EAF-4FAB-BDF3-E5D5C3435155
7
Ary hitako nanatona ho eo anilan'ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31C8CEF4-F968-48E6-B13F-75CE07BF7F9F
8
Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6D80147-EB71-4C06-B619-F91435895382
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany