Andininy
Protestanta Malagasy
24
Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb. mpaminany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|038FCF73-4B1E-43C2-A9CE-9580B068A534
25
Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F95C521-53B4-407B-AD27-00053BF8D622
26
Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|648B4EAA-29F2-4BA0-AE3D-AAEB5BEA8B69
27
Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon'][**Na: ny efa lao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|989AC52C-0A04-46E6-9F13-DF1237900FD2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany