Andininy
Protestanta Malagasy
3
Ary nampanatrehiko an'Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin'ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana* ary ny lavenona.[Heb. lamba malailay]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|345AA514-C049-4A37-BBA8-04495EFD3E8E
4
Ary nivavaka tamin'i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F8C8899-A073-4EF0-B77A-DBEBD1E69163
5
efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin'ny didinao sy ny fitsipikao izahay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E92459F8-B305-4E1E-87DB-3833BFEBFB48
6
ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D6E9988-428E-4FF1-A570-3F756150802A
7
Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin'izao anio izao, dia an'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin'ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoany izay nandisoany taminao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84D7FC08-0AA8-4A5A-B9B6-C6A54DEBCCE1
8
eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|985D4BF4-1C60-4AB2-961F-788E89D61B3D
9
An'ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE6938F9-C54B-4B0D-82D4-C9C3A0920CBB
10
ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71EB8B08-0E67-43E8-98BF-E9A5BC9D64F4
11
Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DB7F00B-300F-4C64-B945-0045AB8DAC6B
12
Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tety ambanin'ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEE23465-BD96-4D72-92FA-EED251415E10
13
Araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy no nahatongavan'izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin'ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FF844FA-928F-4ABF-8010-C71738D5953E
14
Koa izany no nitehirizan'i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin'ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77CCCDCC-101A-439B-94A8-47FD13F146B5
15
Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED5AA45B-A522-47DA-8057-DF02068E6B6F
16
Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin'izay rehetra manodidina anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC3DED6D-207F-42FD-8A32-499ACEEBDB59
17
Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin'ny fitoeranao masina izay efa foana, satria Tompo Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C29688F-7B2A-4D05-8B8D-86C23B06609F
18
Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin'ny anaranao; fa tsy amin'ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin'ny halehiben'ny indrafonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33B6C896-0C48-414A-BF18-D6BBE8C344D6
19
Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83990E2C-02C1-41A7-8791-045548A51568
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany