Hosea 1: 1-9

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0ACAC262-B649-4B39-B708-83C3BB0E4547
2
Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F1B5C9F-EFDF-414F-B7DD-2685DFDDEA20
3
Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB9E5D4F-28E7-4681-95E4-C0EF62CF9E33
4
Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ADAE928-08EC-471F-A954-3A54A8A2DCC4
5
Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01BD9E49-8F78-4A94-872E-DD4C1C4BD304
6
Ary nanan'anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lô-rohama* no anarany; fa tsy hamindra fo amin'ny taranak'Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony**.[*Lô-rohama = Tsy namindrana fo][**Na: hofoanako avokoa ny ananany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6E3223A-51B9-4DDB-9CAC-35D37B09C3AC
7
Fa ny taranak'i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA2660FC-500C-4A82-8A1B-C4EB40C915B3
8
Ary rehefa notazana Lô-rohama, dia nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A437E23F-9A71-4132-8561-FF8C389AB0B1
9
Dia hoy Jehovah: Ataovy Lô-amy* no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo**.[*Lô-amy = Tsy oloko][**Heb. tsy ho anareo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|955F80DB-EBA5-4378-90BE-FFD00D7E389C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany