Andininy
Protestanta Malagasy
1
Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4730D2C6-4031-427D-BAB5-19463F0F77FE
2
Mamitaka* ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny [Heb. Malambolambo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C033793B-50AC-48AB-85E5-9C37274F7D2B
3
Amin'izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9B8D5AC-EACE-4ADD-99A4-F439D0424A92
4
Niteniteny foana izy tamin'ny nianianany tsy tô sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2790AA13-5F33-4EBB-B785-0F03552F3534
5
Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,Ary ny mpisorony mangovitra noho ny aminy, dia noho ny amin'ny voninahiny, fa lasan-ko babo izany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BDB0080-D9E7-4EF6-9DAA-ECD9772E509E
6
Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06BD2448-0066-4576-958C-56137CD1411E
7
Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin'ny rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C585809-DF54-4108-A6A7-4E4CF2301FF8
8
Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F9D833E-A721-464A-8083-10813137AF89
9
Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3CEED8B-B0DF-4BC7-9C4C-0640B65DF0A8
10
Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FC975DC-AD00-431D-8EDC-45005D2A8517
11
Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga* ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.[Heb. hihoarako]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|456B4166-FF7A-474D-920C-5128D2272AED
12
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo*; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo**.[*Na: Miasà tany vaovao ho anareo][**Na: hampianarany anareo ny fahamarinana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65988445-D7E2-41A5-9614-447BB999C8A8
13
Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo* ianareo.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F970F9E-D088-4D5E-B388-7377746F2437
14
Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo*, ka horavana ny tanànareo* mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB0ACE52-F2B0-422C-A925-B51473334CAB
15
Toy izany no hataon'i Betela* aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B863501-1821-41C4-8FFD-33C5852F63E4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany