Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C90E6804-F9A6-4AEE-8C00-C611998A0FE9
2
Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an'ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an'ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83201E21-28E7-4146-B550-61B32A5DE1E7
3
Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko* aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. [Heb. notrotroiny tamin'ny sandriny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DFE9C9E-18FE-4350-AEF5-E57794D7961D
4
Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava* eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.[Heb. zioga]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06713BC7-00FF-4D23-808A-5CA30CD8217D
5
Tsy hiverina ho any amin'ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AD3402C-1644-4D8C-BD6B-6380D4BB110D
6
Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31EF7106-F36C-4831-ADA5-B389A9AAD404
7
Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08B765A8-A4D2-48F7-8A10-19810B2C63D4
8
Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an'i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an'i Zeboima! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96F48EF7-539A-41B6-A6A3-8D3C3D80D4B2
9
Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an'i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masina ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra* Aho.[Na: tsy hiditra ao an-tanàna Aho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B38321EA-5BDF-4178-A0F0-3FD87105D2C4
10
Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3D82ADF-448D-4887-9BDB-151063113DBB
11
Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F51DED5-5A68-427F-8077-783F2D081FB3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany