Andininy
Protestanta Malagasy
1
Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D6075DD-91BE-43C8-A8E0-ABE02CE9F8E8
2
Dia hiara-mivory ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin'ny tany, fa ho lehibe ny andron'i Jezirda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|055D5355-F3FA-4FAB-893F-EFD2D62A794D
3
Manaova amin'ny rahalahinareo hoe: Amy*, ary amin'ny anabavinareo hoe: Rohama**. [*Amy = Oloko][**Rohama = Namindrana fo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85747F44-C429-4EE0-AE1F-CF4FCD940E73
4
Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|969DAE60-52E9-4251-87AD-F9B6C46211D4
5
Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98714C70-F10E-47C5-BE3A-748F1FE75E34
6
Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA9A6A58-563B-4205-91CB-CB644A16C468
7
Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19E16E87-4C44-4111-814D-E8374D86CB09
8
Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A94C230-7655-4A76-9694-2E292EB963CE
9
Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin'ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin'izay noho ny ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D35FF12-03F2-4D1D-9BFE-9BAB6B0877C9
10
Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an*'i Bala,[Na: nataony ho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEE0522C-4389-436B-8C72-40685FB00D61
11
Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|816E9452-9B00-443D-A004-A94C8B48609F
12
Ary ankehitriny hasehoko eo imason'ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin'ny tanako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4890F903-DF06-411B-AD2F-592D1A6D492B
13
Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B63BA213-88BC-471E-A6F9-1E32553ABA8B
14
Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02A95A9B-7310-4B8F-A8F8-1FFCA5694125
15
Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C4D6F3E-5865-47BD-8FBB-21D2C75E22FA
16
Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1587ED87-9B9B-4185-8D31-D636352044C8
17
Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany* toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.[Na: hihirany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA5F65B3-E879-4EEF-AFF0-03C1CEDEF38C
18
Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako*.[Balako = Tompoko]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBA4E72F-C54C-452E-8CB4-CAB90F08B755
19
Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7272B4F5-6994-4BD6-86DD-D02FE1520795
20
Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD5620DC-BE07-4926-9223-CE610DF00F5A
21
Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD091AF3-CB59-4288-8797-7F63CB6A22FF
22
Eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5640950C-0381-4BC1-B83D-5F643ADDA3CD
23
Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihaino ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A5F6D35-8F61-4FF3-A611-32A9D89FFCBF
24
Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B66D376-912A-47D3-80F9-C1CF6491BDBC
25
Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lô-rohama* Aho sady hanao amin'i Lô-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25397CC9-6277-43A1-A21A-F802B0C8E146
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany