Andininy Protestanta Malagasy 18 Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako*.[Balako = Tompoko] 19 Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo. 20 Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
|