Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|211DCEAF-0130-47ED-B072-196331875856
2
Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy* ka mifanontona ny fandatsahan-drà.[Na: Fa ny fianianana sy ny lainga sy ny vonoana sy ny halatra ary ny fijangajangana no mihabetsaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C1C68CB-579C-4BA7-B0EF-02A42EC04CCA
3
Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia* ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.[Na: Mbamin']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46275FE2-643A-470A-98BA-51DA56B73848
4
Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F47086F-3B27-42DE-B577-42FC0D3C2515
5
Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|257CF366-0D55-4B28-91BF-152C7D11B42F
6
Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3561F5A-E8A2-40EF-99FA-390F0A6B1047
7
Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79B5C7DC-9011-4E87-8A16-BDC5F340CB5C
8
Ny fanatitra noho ny ota izay aterin'ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A73670A-3874-4FCE-8277-73A1D7159194
9
Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6542E3EF-D0D1-42BE-A481-D3D1C50517B2
10
Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D1FAE10-9A23-4265-8D21-A0C6B0D0E5E0
11
Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEA6E8A4-D279-4616-B3A1-BB8E5E0704F5
12
Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B17F1822-D86F-43E5-992D-D120A7C9801D
13
Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3932A63F-317F-4EA3-BC94-ECCC8028C3EF
14
Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo* aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.[Heb. ireny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72E2DC0F-6AA4-4C92-A8B2-1B9A3B2AF97D
15
Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AF02BA2-9516-43D7-8E13-82314BB7D3A3
16
Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah toy ny zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8024919C-5616-4EAA-880C-588D7E5E01A4
17
Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91E458B4-3493-4AA8-8EBC-41E293DA3286
18
Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy*; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy**. [*Na: Rehefa mitsahatra ny fibobohany, dia mahery mijangajanga izy][**Heb. ampingany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|947C5081-5CE1-4132-8BF2-CF03F85549EF
19
Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|078FFDEA-1E0A-452D-8579-200369373203
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany