Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ataovy eo am-bavanao* ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.[Heb. lanilaninao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD984B59-DC11-4185-A549-E17584B44BCA
2
Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04027D10-0868-438A-8D63-9721A6F4B9DB
3
Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6802D8BE-4787-424B-B901-7C1A6966ECB2
4
Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36BB0123-5C97-496E-8DF3-EE93BE150220
5
Maharikoriko* ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo** ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo*** ny fahadiovana?[*Na: Ataony ho zava-maharikoriko][**Heb. aminy][***Heb. tohany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDC97EAC-7962-4792-B535-DEC140BE4B39
6
Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF3D2D40-8887-442B-8DAE-2310E3267247
7
Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4AAE021-4B68-420E-9764-BDD8AEE53BE8
8
Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD9F76B3-8D29-4C6C-8A1A-AD61B9FC5CA7
9
Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny* [Heb. fitiavany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|925068E4-02E1-4139-B3B6-31F1AE76F4A3
10
Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AD60415-2145-488D-8A67-6398EABBA010
11
Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D008584-F40F-471A-8F0F-489E777F1D0C
12
Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2330BA6-9AAA-4E61-85F4-5564EFE529C2
13
Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B6F7F16-3B9E-4F2B-8E10-65DAC39AFE30
14
Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|439C5BC2-9D94-471D-A99A-DA1ED8635602
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany