Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F4FD345-7694-48BA-8D57-BFF71736FF95
2
Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB6C9D13-6FD4-459F-AD4D-780426E87724
3
Tsy honina ao amin'ny tanin'i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|631CAD84-3F7D-4A89-8222-B90A269DA71D
4
Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an'i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4405A1CB-646B-400C-875A-65BF21E282E6
5
Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin'ny fotoam-pivavahana sy amin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A48B5A45-5504-4170-9CC7-C2C440BC3F49
6
Fa he! lasa izy noho* ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.[Na: miala amin']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFB79D8D-365F-4D65-B934-03874C9C2056
7
Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr'Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan'ny helokao sy ny habetsahan'ny fanoherana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F848A0DC-5A63-4E03-B888-8D0B3DDC2825
8
Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin'Andriamanitro*; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin'ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.[Na: Efraima dia tily tao amin'Andriamanitro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51B3528D-DFD6-4CD5-AABC-487680EDBF63
9
Fatra-panao ratsy toy ny tamin'ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4DF7090-CDA7-4B0E-901C-0328520A080F
10
Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A29BF5CF-4785-4D55-BE62-4267FC79649A
11
Ny amin'i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan'anaka, na ho torontoronina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B414AA5-1254-4976-8E1F-2835DD21D176
12
Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin'ny handaozako azy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AA55948-9CCE-4A3B-831C-9A91FF9C23C5
13
Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin'ny tany mahafinaritra tahaka an'i Tyro*, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin'ny mpamono izy.[Na: araka ny nahitako azy hatrany Tyro, dia voavoly, etc]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EC6D84D-8EE4-4EAF-BE9B-EA67A57D750E
14
Jehovah ô, omeo azy - inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza* sy ny nono ritra.[Na: momba]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CB61B23-8F23-4B36-8F05-18B4049FE15A
15
Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian'ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BF50BA5-45B9-4793-8E8E-4D8890A470F3
16
Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A96DAAB-B138-42CD-9631-0746C9DABAB7
17
Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33782FFB-96C2-4536-93A0-200CDFED6333
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany