Joela 1: 1-20

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Joela, zanak'i Petoela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C29FA85B-119E-4762-A100-9414A11EC00A
2
Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, hianareo mponina rehetra amin'ny tany! Moa mba efa nisy tamin'ny andronareo Na tamin'ny andron'ny razanareo va izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60AD5458-BCD3-4066-B346-AC4A544DB25B
3
Lazao amin'ny zanakareo izao, Ary aoka ny zanakareo hilaza amin'ny zanany kosa, Ary ny zanak'ireo kosa indray amin'ny taranaka mandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23F0B9CA-6E00-4775-AD33-2B8B68C1F6D7
4
Izay sisan'ny kijeja [Heb. mpikiky.] dia nohanin'ny koraika; Ary izay sisan'ny koraika dia nohanin'ny valalavao :[Heb. mpilelaka.] Ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga.[Heb. mpandany.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|050BB186-182A-4870-B70A-CEE47A65228B
5
Mifohaza, hianareo mpimamo, ka mitomania, Eny, midradradradrà, hianareo mpisotro divay rehetra, Noho ny ranom-boaloboka, Satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|607829EB-CBCC-4B16-A370-419D9B123916
6
Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, Ary ny vazany dia vazan'ny liom-bavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A74A1D4D-B096-417C-9F34-706A75E3967F
7
Nataony simba tokoa ny voaloboko, Ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, Eny tonga fotsy ny rantsany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|913F4CB8-AAFB-4D33-8DF7-2317DA02A5D0
8
Midradradradrà toy ny virijina misikin-damba fisaonana [ Heb. lamba malailay.] noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CEBE662-9555-43DF-A71C-73415A0F5408
9
Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE110B94-E8EF-441C-B3F9-627CF79C84D1
10
Mariry ny saha, Misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, Ritra ny ranom-boaloboka, Mihena [Heb. malazo.] ny diloilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61F6CD1E-A382-409E-9F3A-512355A32594
11
Aoka ho menatra hianareo mpiasa tany; Midradradradrà, hianareo mpamboatra tanimboaloboka, Noho ny vary tritrika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3EC9478-18AA-40F5-AD1C-17F8A1C0709E
12
Maina ny voaloboka, Malazo ny aviavy, Ary malazo koa ny ampongabendanitra sy ny rofia [palma.] ary ny poma aza, Dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DADD563F-D08A-4083-A1E0-E21FA2FBF079
13
Misikìna sy mitomania, hianareo mpisorona; Midradradradrà, hianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana[Heb. lamba malailay.] mandritra ny alina, Hianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, Fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95D09F7D-00CC-40C1-B303-0A4F594F3B2A
14
Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, Angony ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany Ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, Koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A43E7625-2E6B-4A65-AECC-1D505CE7AA60
15
Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, Ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F282DDA8-625D-47D2-8DF5-A63662C1DF04
16
Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, Eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon'Andriamanitsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7674FDC-EBFE-436A-ADA6-ABE7EC4537D9
17
Matimaso ao ambanin'ny baingan-tany ny vary nafafy, Foana ny sompitra, Mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33183C76-2700-4614-8BAE-3F6455838D45
18
Indrisy, ny fitoreon'ny biby! Very hevitra ny omby andiany, Satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian'ny ondry aman-osy aza dia mijaly noho ny heloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F38756A6-FE37-482B-8DDC-3C1E4580A520
19
Jehovah ô, Hianao no itarainako, Fa efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra, Ary nisy lelafo efa nandoro ny haro rehetra any an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CD30CF6-DC6A-4904-A805-E6239B3021BD
20
Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, Satria ritra ny renirano, Ary efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CC2D5B2-2527-4520-9C6B-EA20C29EE732
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany