Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, Eny, efa antomotra izany, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B192DDEE-0F01-410D-9494-00B0FAA63950
2
Dia andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito, Toy ny fahazavan'ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, -- Dia firenena lehibe sy matanjaka, Ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, Sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany Hatramin'ny taonan'ny taranaka fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87B7F11F-C90E-460D-BA85-2D072997CB45
3
Eo alohany misy afo mandevona, Ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, Fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, -- Eny, tsy misy tsy azony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBD14CFA-7728-4A0A-A02D-7576D51A9CC3
4
Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2597444B-325C-4CCA-9799-402A18213750
5
Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikiny, Sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, Ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D292C59C-0934-4D36-AD52-F6ADF7A023FE
6
Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika;[Na: tera-mena.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1CB2D48-97EB-458D-B5F8-8FBC49E041FF
7
Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy Ary mananika ny mànda tahaka ny mpiady, Samy mandroso amin'izay hitsiny ka tsy vaky laharana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21CF7E11-8B8A-41DD-9885-9C7BE03F9F0B
8
Tsy mifanosika izy, Fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra.[Na: voasakana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D9B94A8-A978-47A0-B5B2-FC4C278CF638
9
Mifamoivoy eran'ny tanàna izy, Mihazakazaka eny amin'ny mànda izy, Mananika ny trano izy, Miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69E266FA-ACF2-47C8-8F10-CA4C72A78566
10
Eo alohany dia mihorohoro ny tany, Ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana tonga maizina, Ary ny kintana tsy mamirapiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E75FFEF4-D5A0-4712-98F8-DCA391E6C898
11
Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny, Ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, Ka iza no mahatanty izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FEDDA05-7C9B-4834-B730-B0C7C99A86D5
12
Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, Miverena amiko amin'ny fonareo rehetra Ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CF32A29-EFE3-4447-84EB-4CD7594E4BA7
13
Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, Ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamitra fo sy miantra Izy, Mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin'ny loza, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FEAFEA9-A8D4-4371-BB95-01BAC2BEE6C6
14
Fandrao mba [Heb. Iza no mahalala na.] hanenina ihany Izy Ka hamela fitahiana ao aoriany, Dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71886894-AF2C-4B0D-A889-F3B53752930F
15
Tsofy ao Ziona ny anjomara, Ka manamasìna andro fifadian-kanina, Miantsoa fivoriana masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16ABF32B-61B0-4826-A971-C07E968A7B13
16
Angôny ny vahoaka, Manamasìna fiangonana, Vorio ny loholona, Angôny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, Ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36D1925D-C282-4759-8CF2-C3847866CEF5
17
Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara No aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, Ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah ô, Ary aza avela ho latsa ny lovanao, Ka hotapahin'ny jentilisa;[Na: Hanaovan'ny jentilisa azy ho ambentiteny.] Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD4768D9-9DD8-478D-B44E-35DB846A2F88
18
Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny Sady niantra ny olony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E88FEC8-583E-465F-B7D9-C55E3D885A63
19
Eny, Jehovah namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, Ka ho vokin'izany hianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin'ny jentilisa intsony hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|837886EE-3989-4A6D-ABE9-3B41865828CA
20
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo Ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-làlany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, Ary ny vodi-làlany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, Ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F804782-FA83-4CDB-8018-3D1C279DDF68
21
Aza matahotra, ry tany fambolena, Miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7741A0D5-78C7-4FCD-873D-C95F69A1CE67
22
Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, Fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, Mamoa ny hazo, Ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58F75ED9-39F1-4F62-9DEC-47B2B416C7D1
23
Ary hianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa Sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo loha-orana onony Izy,[Na: Homeny mpampianatra ny fahamarinana hianareo.] Dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, Eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F51309BB-8D60-4F6F-AE15-5DC857F66A17
24
Dia ho feno vary ny famoloana, Ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10EAE21E-06C3-43B9-9681-76E2E5AD31D5
25
Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin'ny valala, Dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6412AFB-60AF-449F-97B6-F1D7228F6C48
26
Ary hihinana hianareo ka ho voky Dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, Fa mahagaga ny fitôndrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2907CE3F-3CDA-4653-A0CC-8B04F6C2DE96
27
Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'ny Isiraely Aho, Ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82D4C1E7-EFEA-4E49-884B-8B60BEE553F1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany