Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F517279-9D11-41CC-AA67-CA40DB9A24A8
2
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo hianareo, aoka hisy fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|129A6275-AB8A-478E-BC6A-5954CCC69D54
3
Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F8DCAEB-B540-40AA-BD81-45136F7A9492
4
fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah; aza mamafy amin'ny taninao hianao, ary aza mamboatra ny sahanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31F5E531-7B79-4127-AA30-A557BC25BAEF
5
Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin'izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an'ny tany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BCD51A3-D341-4F18-B0E8-60942A7F9626
6
Ary izay maniry ho azy amin'ny sabatan'ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D763ABDD-99FC-481B-9C3E-B1D50A86ADC7
7
sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin'ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B57CB8D-F264-4804-8F98-746ADEAD0F1D
8
Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron'ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7C48D07-B757-444D-8576-0555E4D5510A
9
Dia mitsofa anjomaro avo feo amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito; dia amin'ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran'ny taninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8106642B-09AD-4F5D-BB2B-9E98ED7FA4BD
10
Ary hamasino ny taona fahadimampolo, ka miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo avy hianareo sy any amin'ny mpianakavinareo avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33995B31-E98D-4DAC-8FBD-CD92362184D5
11
Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy hianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin'izay tsy namboarinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AE86815-8A3D-4C02-A99C-3FB5F51909DF
12
fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D272329-1E05-4B3F-BD91-7D98BFF69C35
13
Amin'izany taona Jobily izany dia samy hody amin'ny taninareo avy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D71D71D-E94A-433A-ADE6-FF094E32F5D2
14
Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny namanao hianao, aza misy manao sarotra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48F8E44C-23DC-43AF-BB1B-C092E35533B5
15
araka ny isan'ny taona aorian'ny Jobily no hividiananao amin'ny namanao; ary araka ny isan'ny fararano no hivarotany aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37409ADF-AD15-4209-A5A4-8682D42860A6
16
Araka ny hamaron'ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin'ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan'ny fararano no hlvarotany aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9796F0A8-BA66-4561-804A-030F43EF4EC9
17
Ary aza misy manao sarotra hianareo, fa matahora an'Andriamanitiao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C0E9645-06F1-4B0C-B3F9-B5F32BAF6F36
18
Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin'ny tany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01F6527A-425F-46AB-A250-ADB07DBFB701
19
Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana hlanareo ka ho voky, ary handry fahizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CECF224-B6D1-4E0A-835D-B40E65F48645
20
Ary andrao hianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin'ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF2C4B4F-3DA1-44C9-9754-433064EAEB16
21
dia hataoko aminareo ny fitahiako amin'ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin'ny telo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E784673E-15AC-4B60-971F-A6269B895504
22
Ary hamafy amin'ny taona fahavalo hianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan'ny taona fahasivy; mandra-pahatongan'ny vao no hihinananareo ny tranainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1F1BCA8-4B51-454E-9C94-197D517CE14A
23
Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C986B2B-DC21-451E-B28F-094F05C54A32
24
Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin'ny tany rehetra izay lovanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34611FFD-AFA4-4C8A-8FAC-23C35EFDF5DA
25
Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB3F6D40-77F7-4BBE-8086-C05818BEA8CD
26
Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|998322C6-4A3B-40A8-B591-5CC9CD6ED294
27
dia aoka hanisa ny taona hatramin'ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an'ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin'ny taniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF08770-EA16-4477-9B0F-BA58EA68B8A5
28
Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan'ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan'ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin'ny Jobily, ka hody amin'ny taniny ralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29B0AB27-4A0E-4A49-9AAB-1E9C4BF482BE
29
Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin'ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin'izany no hahazoany manavotra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3240EB1F-FF79-4ECF-86F4-38F07A6BDE14
30
Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin'ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an'izay nividy azy sy ho an'ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin'ny Jobily aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|761A7F8D-E6AB-40B1-8D36-7DC1FCA1BCF6
31
Fa ny trano ao amin'ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin'ny Jobily.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6F7F62E-DD05-40B8-9F43-2A391C474F1A
32
Kanefa ny amin'ny tanànan'ny Levita, ny trano ao amin'ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon'ny Levita avotana ihany na oviana na oviana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F7FF176-240F-4BE2-87B2-A1E32A408BDA
33
Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin'ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan'ny Levita dia lovany ao amin'ny Zanak'lsiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF8EDE2-420C-4EFB-8C1D-2DC34D779BB2
34
Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7AF4367-AE0F-4444-9C21-F051C5F39C11
35
Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivabiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75B2079A-04BD-4936-9F4B-523A50CC6BC6
36
Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an'Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rallalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79214B27-6058-487B-9E7B-87938A896EC6
37
Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FB10A0E-814F-47AB-A7E3-81064DE75E4D
38
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7303B46-0FB9-4D6F-9F55-74C1C755E66F
39
Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD401629-424D-470D-8876-B571D89DE5F8
40
fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandrapatongan'ny taona Jobily no hanompoany anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42077D31-4B52-4C73-A429-A7B01EB05577
41
Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin'ny mpianakaviny sy amin'ny tanin-drazany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF734C56-436F-425F-B51A-DAB231F7DE5B
42
Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3459F4E2-DD90-4F62-BA15-A93C29B343F5
43
Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an'Andriamanitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13CC1921-2555-4EA0-90D0-44CFFA9ECD8F
44
Ary ny amin'izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin'ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4823D52B-2EC7-4745-A0F4-1A6C9FC79DE2
45
Ary amin'ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin'ny taranany izay haterany eo amin'ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9511AD58-ED68-4382-8B0F-3A3799BB5F2D
46
Ary hataonareo lovan'ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak'Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6677E75D-F225-4F58-891E-7279D3691958
47
Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin'ny vahiny eo aminao, na amin'ny taranaky ny vahiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4201BCC6-4F24-4E70-8556-D4E85B88FD0D
48
na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin'ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0E93774-5E4D-423F-A839-CC0F587864BD
49
na ny rahalahin-drainy, na ny zanak'olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin'ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4C88CD1-A7E6-4584-A734-37523DA094AD
50
Ary dia hisainy amin'izay nividy azy hatramin'ny taona nivarotana azy ka hatramin'ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan'ny taona; dia ara-kevitry ny andron'ny mpikarama no hiheverana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E43BDF57-7A32-41C6-A795-385AAB19ED0A
51
Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin'ny vola vidiny teo aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3D24BC8-8710-4EBA-B356-6A4C91C16015
52
Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandrapahatongan'ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0B6EE48-9AF0-4E94-81D4-8BC8A8B74B4E
53
Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy bampanompoina fatratra eo imasonao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9535188-DAF3-4AB1-BC3E-27B3158C0891
54
Ary raha tsy voàvotra amin'izay izy, dia ho afaka amin'ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B78F19B6-A4CA-40D4-9E69-E0EE760B810C
55
Fa mpanompoko ny Zanak'Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DCE522A-BA7A-4989-899E-971DE7BA793C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany