Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|507DCEDF-46AC-44C2-ACBA-591032EF54EC
2
Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben'i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin'ny tabataba sy amin'ny akora ary ny fanenon'ny anjomara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEFAA59C-0E03-49F3-855E-106E570713FC
3
Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74E7600E-7088-4E0D-B5F1-8883576BDD57
4
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany; [Heb. tsy hahemotro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B3E5F16-B03C-4585-9A3E-C3D8BCF53153
5
Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben'i Jerosalema izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29305CE0-ACD3-4A21-BA60-4142DD547D9D
6
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, [Heb. tsy hahemotro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3BE3C8B-BB28-438A-A587-CE351E302CBA
7
Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo* an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina; [Na: ho eo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8E2DAF6-B477-4E42-9557-1F68CF7A67AE
8
Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatôka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy* ao an-tranon'ireo andriamaniny izy. [Heb. divain'y voasazy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|284AAE18-9C22-4CB8-A815-63F20EC624E4
9
Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D566A1E8-B66F-4D80-A011-DF637CD1790C
10
Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F9AFDE3-8E35-48A5-98D6-F496721D45D2
11
Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEA0359A-DE7E-4474-8E97-342DAB957880
12
Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|807020EB-8B1B-48B0-B147-42DCD20A2B06
13
Indro, Izaho no hitambesatra aminareo* toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara. [Na: Izaho dia itambesaranareo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26599AED-3C3A-4E55-AB13-15279BD16A88
14
Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC346492-E2DA-413D-8F9D-B915BBA05926
15
Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2BB6C29-9C2B-471A-8B9E-E1945AC20DA6
16
Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|718E6EB9-D6C8-4614-88AE-A5B590346400
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany