Andininy
Protestanta Malagasy
1
Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A722AE2F-C88C-44E7-BFDC-34E876B7FB82
2
Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C291A669-9309-4E79-9C6E-1A84ACFD1D05
3
Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DD8D308-6873-4D9B-9868-B5BEF74BAC44
4
Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|425FA992-B977-4CC5-91D9-1F80FC768771
5
Voan'ny fandrika ety an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|157688C2-043C-466B-9FCF-3F5556A05EA0
6
Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78B3B498-E9F5-4EA4-BB08-F08FE4E2FFB3
7
Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76AA3A11-0EED-455F-A538-1DE460E1E15C
8
Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F24A60EF-A5B7-4E2A-89A0-7C6A900195B8
9
Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana* ao anatiny. [Na: ny ampahorina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB9912FD-0BF8-4C69-89F4-CB3A5DE0BCCD
10
Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D283C36-981C-406A-B513-057489F3A34E
11
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAC61770-27D5-488C-8304-ADE3BABF38C1
12
Izao no lazain'i Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry ondry ny tongotr'ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin'ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3AAA916-0CB2-47F2-A084-1816E4C1C283
13
Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak'i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C23FB96-CB7C-44BD-BBE8-CC6ABD04B297
14
Amin'ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9BB09C7-91D4-484A-A75B-3473E1CD3A55
15
Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2329EEFD-9FC5-4B99-86BA-EDEB9FE6C999
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany