Amosa 5: 10-15

Andininy
Protestanta Malagasy
10
Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. [Na: Halany izay mananatra eo am-bavahady]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8015F1BC-DFF2-4752-9ADD-DB850CF25168
11
Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3864510E-4EC0-411B-A927-137E7FE97476
12
Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly* ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B90C557E-B057-4043-889A-704C7CAECAC0
13
Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B936472-3ED9-4D58-BF77-EBAEC7AC8484
14
Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B570E9E4-5DE1-46E3-ACDE-CEBC5358AA40
15
Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana* ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb. am-bavahady]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DBA3561-7002-460F-8B20-077B700F94D3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany