Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEDFF6EB-08CE-41DC-B90B-45CE00EDC134
2
Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy* intsony Aho. [Heb. handalo azy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A22F0BFB-5163-42FC-B27B-12D86244BD92
3
Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa* amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3580B80D-4971-443A-9AF1-1CF4FBD35DE5
4
Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D8B89A4-315C-4104-AC47-5B9534FB155A
5
Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C82C85F-DB30-4AB0-9138-8272C1176606
6
Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2209E73F-CBD5-43AC-92EC-9341819D7E10
7
Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1698677D-982B-4442-8137-A8A72A718643
8
Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF1FDBE7-FF23-4CC3-8DB9-07E4779F09F8
9
Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06B964BA-CD8A-40EE-BD65-CB38AC7A708C
10
Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana* ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74B2088A-B296-458A-A92C-1E60B798BCD5
11
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5332FCA6-3964-40BD-8C1D-A9BBF7DEEF05
12
Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A4E19B6-F078-47BB-B39F-F25C7B1F8D21
13
Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C66A937-ECD2-4506-902E-798D06A4FCFB
14
Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87FD08FA-4047-447E-A101-BD0C113CD19A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany