Jona 2: 1-11

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro hateloan'alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31AA2967-55CE-46C3-9DA9-41C1120717DF
2
Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61A57E5F-EF4B-474C-918F-54D98EC4B33C
3
ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCD7ED71-A538-4C1F-95DC-638A4D08DE57
4
Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07C1EC13-9E45-439D-8BC2-734E5E3E704F
5
Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63D2D76C-BB38-4C5D-8258-A97F44503EB9
6
Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53EE1A58-2927-4530-ACFC-2FCC5DD91AB9
7
Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao andavaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2625FB2-152C-45F9-80E6-CEA3B18E28FE
8
Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82072265-D02B-48AB-A630-EC4B22EEC70E
9
Izay mivavaka amin'ny sampy. Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F160877E-4A78-4120-86AF-578725242802
10
Fa izaho, dia feo midera no entiko namono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28A23D24-9C37-483C-9608-A04815DB179A
11
Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AACFF28D-B36B-4660-97EA-4BE6262C9504
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany