Jona 4: 1-11

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa tsy sitrak'i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|866EAB42-343F-4FC1-A82A-FF5321D9CAA1
2
Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin'ny loza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EA8B648-AD64-41EB-9093-26E3E6360C93
3
Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|723D2237-87E1-4C35-8908-AE1CCC70AA5F
4
Fa hoy Jehovah: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2624B9FE-C4DF-4F76-848A-E43B64272F69
5
Dia nivoaka ny tanàna Jona ka nipetraka teo atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsankazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran'ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E98F8947-8FB8-434B-8781-924E0F5D7577
6
Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka ampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EE452DB-A6C7-4A06-B1EF-11E242CE8B4A
7
Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka na ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77AF3486-5462-4CB1-9AF2-C33BAA8BCAC9
8
Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan'i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1591144A-C087-4300-B02E-934780BDEB4D
9
Fa hoy Andriamanitra tamin'i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao amin'ny tanantanamanga izao? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D5BD7AD-4D97-47DF-A423-EBD9C97F1402
10
Dia hoy Jehovah: Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao nampanirinao, dia ilay naniry indray monja ary maty indray alina koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30970857-76C2-4949-BE75-25469C5C03FC
11
ka moa Izaho tsy mba halahelo an'i Ninive, tanàna lehibe va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be fiompy koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDA7FF84-9C4F-482F-A2BC-341B675E34D9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany