Mika 4: 1-14

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izao no ho tonga any an-parany; Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEA42CA1-D264-4D93-8EAF-1DE866652E16
2
Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe : Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny làlany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0882A7D-C15F-4AC9-AB0C-96CCE8D3A767
3
Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DFF8A63-656D-489C-B171-4408C48CD5C9
4
Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42EA8937-F279-46F4-8386-8014B1A12530
5
Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|477E3419-F68E-4D55-A18E-5FD066C13EB1
6
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCBC6260-354A-48A5-879D-2D7F25ACB11B
7
Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBEA9F8D-988D-4721-934B-011A51064B76
8
Ary hianao, ry tilikambon'ny andiany. Tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan'i Jerosalema zanakavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0711B431-A670-44BE-9991-9EF828080640
9
Koa nahoana ne mitaraina mafy hianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana hianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2035AF0-DBDD-4944-B59B-B96C688BE28D
10
Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna hianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah anao ho afaka amin'ny tànan'ny fahavalonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2340ECE-BE71-48F1-A4E9-74F204748D8D
11
Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe : Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40F406D0-E396-4502-94EC-C1AD0051690B
12
Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F44D180-1D09-409D-9DF4-88985C6E1083
13
Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro hianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A48DD339-5E58-4D68-9CE4-BE75C840F7E3
14
Koa mivory ho andiany hianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2EB3DE8-AA51-4900-AA92-1349E7068A9B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany