Habakoka 3: 1-19

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny fivavak'i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1C1199D-9D7F-48DB-BEBB-75F616E18135
2
Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan'ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan'ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2686F54A-A0A7-48E7-9569-1B03B9512513
3
Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny Iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana.[Sela.] Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5988A7E4-AFF8-45B4-B078-9EEE0CE43AAC
4
Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin'ny tànany;[Na: avy eo anilany.] Ary ao no fieren'ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6892A4BF-DE7B-4D1B-B25D-52243329507F
5
Eo alohany no andehanan'ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka[Na: zava-mahamay.] no mivoaka avy eo aoriany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC5476CC-6AA6-481C-A202-1AFCD98FE66D
6
Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola; Fanaony hatry ny fahagola ny Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFE8FAA4-3F3D-4ECD-AAFC-B52ED1E51A99
7
Mahita ny lain'i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain'ny tany Midiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5D53D53-B1FB-46D1-A155-62D1D5BD8555
8
Moa amin'ny ony va no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah? Amin'ny ony va no ahatezeranao. Na amin'ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1853A441-802F-4CE6-937D-D955A725811A
9
Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan'ny teny.[Na: Ny fianianana tamin'ny firenena dia teny.] [Sela.] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6FA33F0-EA4C-47E2-A554-DC07B65FAD7E
10
Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka[Heb. mandalo.] ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tànana ho amin'ny avo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1147AA1B-A473-43E3-959D-70DEC687BDB1
11
Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin'ny fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatrelatry ny lefonao mamirapiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AC468A7-5533-4060-899F-155A74F18F95
12
Amin'ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin'ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB117028-82D7-45B5-A4C4-34AB0DADEAAA
13
Mivoaka hamonjy ny olona Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon'[Heb. lohan'.] ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tentenany ny fanorenany.[Sela.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E485CBA2-8530-478D-8181-A83972724673
14
Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan'ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy; Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A303E053-7A8A-492E-9A21-EA26ECD42267
15
Mitety ny ranomasina amin'ny soavalinao Hianao, Dia eny amin'ny rano be miavovona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F31D325-6B19-4449-BED0-482A0FAB54B4
16
Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon'ny fahalovana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran'ny mpanao andiany hamely ny olonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7C7B64C-703D-481F-9480-8A569297B698
17
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C572922C-714D-41F9-8960-DCF00E696E0D
18
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1053D62E-B80B-4AE1-A574-B3959C177489
19
Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D0E242D-DF5F-4C8E-B9B9-0E8A7EB98A9E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany