Zefania 1: 1-18

Andininy
Protestanta Malagasy
1
NY tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i Hezekia tamin'ny andro nanjaka'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83171931-34DE-4E36-96CB-26541B31F137
2
HAKIFAKO tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47AF15EE-BD1D-487D-BF5D-DCCEB52A1636
3
Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina Ary ny zavatra mahatafinthoina mbamin'ny ratsy fanahy; Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7A3AC35-7C97-42C1-800D-42789A3CCE42
4
Ary hahinjitro ny tànako hamely ny Joda Sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C83ED7E2-B5E7-4003-8B3A-B1D5BEE1CC60
5
Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izy eny amin'ny lanitra, Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama,[Na: ny mpanjakany.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8BD19D9-90A9-43A1-9693-8F3055B22774
6
Ary izay mihemotra niala tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1D9BE1C-7103-416E-A668-C48AE4257E3E
7
Mangìna eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62014C38-AB2B-4158-9EFC-00C782693E7A
8
Ary raha mby amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8784B7E2-E94C-4EBB-BDE6-45B8406BEC59
9
Ary amin'izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|694F8606-86B3-4F08-8273-A44343D330E6
10
Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin'ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin'ny havoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4B2ADAA-3443-4F35-9661-0E547AC76B93
11
Midradradradrà, hianareo mponina ao Maktesy [=Laona]; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFE35E64-B2BC-43B3-B836-F73068D5E542
12
Ary amin'izany andro izany dia hotsiloviko amin'ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin'ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0D2B372-01DA-4A61-A5DC-753B6F312023
13
Ka dia ho tonga babo ny fananan'ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao; Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro divay avy aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|080CA1A9-59D5-4C91-8044-5855CCBC112C
14
Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny efa antomotra sady miha-faingana indrindra-- Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACEB2A97-C255-46EE-BFAC-C0725B8F3FD4
15
Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DECA4F13-01C8-4B47-8841-69AF4D67F079
16
Andro fahaveloman'ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin'ny zorony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2CE7B44-5570-4DCD-BF56-42FDCEB0EEC5
17
Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satrie efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny rany dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81E7DB99-09CA-42A4-93AD-37746D4B087A
18
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka [Na: mahatsiravina] tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8263EFD0-2C2C-48C4-BE07-4B7A4D69C051
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany