Andininy
Protestanta Malagasy
1
MIANGôNA, eny, mivoria hianareo, Ry firenena tsy manan-kenatra [Na: tsy manina],
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|512654A5-90D7-4F65-BA6A-F9C3356377BE
2
Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98783681-61EF-4C31-A9CC-E21D8498E527
3
Mitadiava an'i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina hianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A39BEBE-E7F7-4FE7-8A6C-C9E3DF13AAA2
4
Fa hafoy Gaza, ary ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongana Ekrona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49CBACD1-4881-4190-ACE5-0D471A32AF08
5
Lozan'ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen'ny Kereita! Mihatra aminareo ny tenin'i Jehovah, Ry Kanana, tanin'ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D9DB9CF-B830-4F6C-B662-352B3DA670C5
6
Ary any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay mizy zohy fialofan'ny [Na: trano-bongon'.] mpiandry ondry, Sy ho valan'ondry aman-osy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C95F6C2-CBF1-4175-8B6A-AB93A9C4E137
7
Ary ho tanin'ny sisa amin'ny taranak'i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon'i Askelona no handriany amin'ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin'ny fahababoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B5F7D3B-D59C-4BD6-A2B1-A310E186B2BC
8
Efa reko ny fandatsàn'i Moaba Sy ny fanaratsian'ny taranak'i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin'ny sisin-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C828DA0D-B163-47F8-B086-12C3810743EF
9
Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an'i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak'i Amona ho tahaka an'i Gomora, Dia ho alan'amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin'ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin'ny oloko no hahalasa azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E27D129-FEEA-4EAA-8811-6DDCD6EFC85A
10
Izany no ho valin'ny avonavony, Satria nandatsa ny olon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy nirehareha taminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95CFE75D-4DC0-4B2D-AD9B-26B984C8AFCC
11
Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany Izy, Mba hiankohofan'ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan'i Jehovah, Samy any amin'ny fitoerany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F968482-8438-47DE-86C3-7BD8CB444679
12
Hianareo Etiopiana koa,-- Ho voatrabaky ny sabatro hianareo. [Heb. izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02C8DADE-3000-4362-9D40-242A25A09241
13
Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an'i Asyria; Ary hahalao an'i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|022ED4A8-67F7-495F-927D-3EC6007524AA
14
Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby sy hafa, Sy sama sy ny sokina hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89B6849B-A76A-48CA-8EFF-D82F512E3537
15
Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anankampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian'ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tànana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9838C4EA-6732-40E0-B3A1-98AC584B8BD2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany