Zefania 3: 1-20

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Lozan'ny tanàna miodina sady voaloto. Dia ilay mampahory!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B9CEFD5-CA96-4F26-AA0D-93BB316BEFDF
2
Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35F372F4-6F61-442B-9989-E161843ED1D4
3
Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia [Lopa] hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela [Na: tsy mamela taolana] ho tra-maraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB6784FE-78E9-48DB-A97B-6913A5B4DACE
4
Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E624530-B7FB-4035-9798-528B5EC5B030
5
Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany; Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFE87D46-349A-45D0-98FA-5F9EEE5EE332
6
Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny làlany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E084EF7-DFA5-4381-A385-BAE77B6F5DCD
7
Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa hianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, [Heb. fonenany] Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; [Heb. azy] Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao izay ratsy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA5CD53C-551C-46E2-809E-00361342BDD5
8
Koa miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4F24021-CB84-4732-9420-6CDC0B78060B
9
FA amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina. [Heb. soroka iray]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ED381F1-EE77-4603-BC06-8F92E6A3E3B5
10
Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy.[Na: hitondran'ny mpivavaka amiko...ny fanatitra ho Ahy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEB0F452-895F-4F54-90A1-C9F357BAF58B
11
Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra hianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6549ABEB-FB15-4BE7-8B2B-0EB486DD3145
12
Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|607F5CEE-2C0F-4FBB-9847-71AC7A8D2302
13
Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy andry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD5FEE7D-74D3-4DCC-9618-D43870034971
14
Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7F01ED-50E3-4CC9-A4D8-6870D556731A
15
Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C14E3BE6-0C4D-4F2C-A39F-EE7A8ED1CDE6
16
Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra, Ary aza miraviravy tànana, ry Ziona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6BF15A7-31D3-4447-A4D6-D4F02F63E352
17
Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana [Heb. hangina] amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|325D24C3-C9FA-4E96-9995-D36F20080B03
18
Hangoniko izay manina [Na: efa lavitra] ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy.[Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A57C751-F395-437D-BB6C-EF9718985F03
19
Indro, hasiako amin'izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra. [Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|221C2717-0F72-4F7D-B109-D35FBB46C534
20
Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany hianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana hianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B41D2A7-8CC2-424F-9F4E-79325A78C927
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany