Hagay 2: 1-23

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny andro fahiraika amby roa-polo tamin'ny volana fahafito no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFCCA28E-06A8-4026-8B12-3FCAAB6CBF76
2
Lazao amin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy amin'ni Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin'ny sisa amin'ny vahoaka hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|481A5478-0E41-4EBF-B5C8-E14E71D90A5B
3
Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16D59B73-1FDE-47DB-BB6A-553021D30EDD
4
Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza hianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|975BBA5B-1CE1-4EAD-AED8-8C9B0BEDA26C
5
araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta hianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|153DBA05-468E-4B54-96C8-A7307880C4A3
6
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|336DE1B8-4A7F-4287-89BE-D282F1A802BA
7
ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B86F47F-A483-4B59-B605-64173E12F938
8
Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3915C6F-126C-43BD-AA66-80C40DB37FFC
9
Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E91D9A9-092D-4ACC-81E8-9C10A06C0DD9
10
Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33C574AF-1B87-4777-B051-1E638DC71062
11
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha maka hevitra amin'ny mpisorona hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D452862D-8A2D-4C3D-9E72-D9FBFC5E65DC
12
Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo, na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly mpisorona nanao hoe: Tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16982AA1-3E69-48A1-8464-A1FDF8EFD405
13
Ary hoy Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho tonga maloto ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6437D01C-9DD0-45D2-9542-979228485C0C
14
Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan'ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C588322C-6BD3-4BB0-B858-55519E3DB0F1
15
Koa masina hianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankarý, dia fony tsy mbola nisy vato nifanongoa tao amin'ny tempolin'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D6F04F1-69D9-454E-82A1-08F5A86F9DD2
16
fony tamin'izany andro izany raha nisy nankamin'ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin'ny vata fanatazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon'ny famarana, dia roa-polo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FAFF517-7CCB-4871-85EC-776CF99097B3
17
Ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy sy ny havandra no namelezako anareo tamin'ny asan'ny tànanareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany hianareo, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|042EFAB1-E0F8-4293-9700-293CCD1F148F
18
Masìna hianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankarý, dia hatramin'ny andro fahefatra amby roa-polo amin'ny volana fahasivy, eny, hevero hatramin'ny andro nanorenana ny tempolin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|836DAF67-38AC-47BD-81F7-38019EB3C63F
19
Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongabendanitra sy ny olova aza dia tsy mbola mamoa; hatramin'izao andro anio izao no hahitako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0C7AC14-87F2-4853-8D82-BC0CB9096C7A
20
Ary tonga fanindroany tamin'i hagay ny tenin'i Jehovah tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C740289-DEFA-4A58-9E6D-501C5E8BC0DC
21
Lazao amin'i Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5A9B752-B7B0-4556-954B-52D792162A69
22
dia hahohoko ny seza fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C78F3678-6E20-44E7-A99A-94880335458B
23
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko hianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase hianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57B606E9-A390-40A5-8BCE-539AB764EBB2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany