Zakaria 1: 1-17

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4DCBD96-A539-4351-BBDD-8A0F65E31AF0
2
Tezitra indrindra tamin'ny razanareo Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7496D4CE-DE51-4E1D-A30A-28686E81C6FD
3
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8048514D-8AD0-4C3D-9F47-78636A4743A1
4
Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1D7793C-B984-433F-9A5B-42A1C54F7C3A
5
Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F230D3CE-792A-4DF1-AED3-AF4865272346
6
Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62B8763A-E9E8-4F90-9500-66C1482E43B0
7
Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84254A61-165A-41A2-99A2-CB7304528FF8
8
Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra* teny an-dohasaha*, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. [*myrta][**Na: amin'ny alokaloka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AAD2C83-BA3A-44A0-907C-EAB795A975C8
9
Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6154CDA1-E4AD-46B2-8F37-0A69F577FD9C
10
Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra* dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany. [myrta]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3061D75B-5A8A-49B8-A294-8DFE234CC902
11
Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra* ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.[myrta]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3168F90-2E27-4F86-9B9C-C7B4C1619536
12
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A407AA37-4E44-4D4E-9C64-225E456A1A03
13
Dia novalian'i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82401E23-B64E-4B72-AC8F-608FA0B73E7C
14
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5229DF04-1E58-4434-8D8B-B9CB2DC75F32
15
Ary tezitra indrindra Aho amin'ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13BA5A94-7652-4D86-B27E-37B7BE753D2C
16
Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E16D568-C4BC-4BE6-80D5-3C4C9BC69213
17
Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BF2EB1D-DFF3-4B82-B17A-10FAE55C9779
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany