Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mangataha ranonorana amin'i Jehovah ianareo amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEB1CCAA-22D8-4AD6-8FA0-712A09F0497C
2
Fa ny sampy* niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry. [heb. terafima]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|991C4223-5F1E-4321-8E08-FD12F239D417
3
Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D762C8A-4049-456D-BA8A-112D2495BD61
4
Avy ao aminy no hihavian'ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian'ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E58A7FB-1B0C-4307-80EF-2AD5562D0F23
5
Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A21CBA95-19EA-4988-9A6B-E49BBF6B1A60
6
Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko*, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. [na: hamponeniko]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9C03C42-F1B4-47B1-9341-B5D2B27BA3F4
7
Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin'i Jehovah ny fony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE57C22C-1365-449C-AF7A-4508BCEBF002
8
Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FA8C37F-F3B2-4A42-B645-270C2BA6642A
9
Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy*; Ary samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina [na: ary na dia hafafiko any amin'ny firenena aza izy , dia hahatsiaro Ahy any amin'ny tany lavitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00D72F72-CD50-4955-B8F0-FD1860518C1F
10
Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F51054E-100E-4537-81C7-00A83E92A518
11
Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73C2DDFA-BBA0-4EB6-8708-0766C8760D3D
12
Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|555AC8B3-D8F5-4D91-84A2-24DAC6E6B583
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany