Andininy
Protestanta Malagasy
1
Amin'izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7307CF8B-6810-4DD3-9E97-F1FD958EA19C
2
Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin'ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin'ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BDED481-5F0C-49B5-B181-94FD62DD87F1
3
Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF997BB6-9546-40F2-905F-F8B9F21D45C5
4
Ary amin'izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|478285E7-8989-45B7-9678-8797AAF2E11A
5
fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo* ahy, fony aho mbola kely. [na: nividy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B48D96B5-AE2C-4B62-8E79-329469481215
6
Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin*'ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny sakaizako ireny. [heb. anelanelan']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AB34A55-6F6B-47F9-938C-1C23037C33CE
7
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|489CD226-12EC-466C-A01F-3EEDB5B413E2
8
Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E6D6CDC-B0BA-4A9E-A484-656B2BF785ED
9
Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DAD7747-F032-4FF7-AEC4-7A9DC51DE3EC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany