Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40CA10B0-C6E7-44D3-8556-87F017E4727A
2
Ary hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB364ED8-368A-4B74-8E00-5ABB67085575
3
Ary dia nanehoan'i Jehovah mpiasa efatra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53C4F133-069E-4E45-88A6-97E96F5FE56D
4
Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin'ny tanin'ny Joda hanely azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9C31D8B-BB52-4041-AD3E-B4CA2820599C
5
Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DEEA192-A247-4F58-8643-7659A3ABE6E6
6
Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an'i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AD4C857-B11E-42AB-9D24-DCF94373A8C1
7
Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82933700-2D9A-40B9-A2C0-6A6DC2764ACA
8
ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin'io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E674167-D481-47A8-8482-8B3E3779D4A9
9
Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6953734-16B3-48A7-8EE1-A1C3C2555AEE
10
He! he! mandosira avy any amin'ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C08DEF3D-D6CB-4801-847C-3A45E29096A8
11
He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E427F244-7324-45E6-9452-197310FB4C04
12
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hampiseho* voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. [Heb. aorian'ny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C537D1F-DBB5-4CF7-85DB-BC9E8E8B4114
13
Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|987E676E-8D0E-44E3-A6BF-21B2B74662CE
14
Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D6785AE-E571-44B2-8507-4DF079C17891
15
Ary firenena maro no hanaiky ho an'i Jehovah amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|665ADF60-F95A-484C-98DD-67C369876586
16
Ary Jehovah hanana an'i Joda ho anjarany ao amin'ny tany masina ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC6168C0-2C3C-478C-84E2-09DE09E2ED7D
17
Mangina eo anatrehan'i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin'ny fitoerany masina Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62B153AF-FE4E-4BDD-B773-1108FFCFC586
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany