Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EC18349-734F-4CB9-8F5F-D6795B21CD0D
2
Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|506267CD-DB0C-4366-9809-5EF1D382B624
3
Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B828199C-96BA-4AC1-A5EC-AF047A5A2E5C
4
Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tô amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D786756-D634-45ED-A3F1-242F0A1275B7
5
Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0028D579-1084-4520-87DC-1C6C62302829
6
Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana* 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra [Heb. efaha]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|190A24B9-7228-4B10-89CE-234BC80CB507
7
(ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin'ny vata famarana*. [Heb. efaha]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F89B2C17-A627-47ED-A9DA-68A05BE3C3E4
8
Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana* io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka. [Heb. efaha]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45F46804-3F5F-4FA2-AB77-C89AB03AE5CA
9
Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0654C162-39FD-4D25-B4BF-13F2D8F6E9F0
10
Dia hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran'ireto ny vata famarana*. [Heb. efaha]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B784F2D0-7A08-4258-875F-E789BADBA840
11
Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C779290-11FC-4E67-957F-FE544D665861
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany