Andininy
Protestanta Malagasy
1
Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona* Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely - [na: fa mijery an'i Jehovah ny mason'ny olombelona]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88DABB5B-3ABE-4DC7-A40E-332907E962E5
2
Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8865404-E89B-41EF-BE6E-CCDE6DC84503
3
Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B3543B3-D7D4-44A0-AF1B-8B88A05111C3
4
Indro, hofoanan'ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0B2788D-97ED-48BA-ADAA-8074442D2D41
5
Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A4EBCB1-93FC-4BBD-87D1-1F5005B98434
6
Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA1D2EB9-7422-4B99-ABD0-C11E69FF1B0D
7
Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan'ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an'Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin'ny firenen'i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|479FBBBA-373B-47AD-8185-6800B8CF0E4E
8
Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary* tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko. [na: mba tsy hisy mandroso na miverina, ka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F18132C-5BDE-4937-9BD5-D32916ECF2FC
9
Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho aty aminao][**heb. voavonjy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B8EDA96-F560-4BAB-A3DD-49840284837E
10
Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A15007B-B4A9-4842-9746-7E917DA09303
11
Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF74CCA-264F-431B-8A51-3D789A999C45
12
Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5134993-4C1F-427F-B867-1E7CAAACE10A
13
Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1885B9E1-25D8-4B4E-B913-3344C4EE7F64
14
Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|586167C4-7602-4750-8E62-F8B7E820A4EF
15
Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44094233-C2D6-416D-9A24-E50FC36114AE
16
Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7A048CE-A20F-40B5-B4CB-FCC2CB9D5670
17
Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka* ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy. [heb. hampitsimoka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F6B5B10-7AB1-41A0-A0EE-B19746E9982B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany