Nomery 1: 1-54

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an'efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73CCD29B-BA45-4A59-B487-4295DB450E51
2
Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34C30212-D378-49FE-95B4-02B7CA76F63B
3
dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy hianao sy Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9ECC3EE-C0C8-43E3-A0E9-0C69EAFB3CF4
4
Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27942437-3BFE-41F9-94E7-76006B0938BE
5
Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C2B49E5-1E83-4C61-8C6C-E14FF4E7BC94
6
ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2CE6C71-D253-46C4-AADE-EAEB3E0D22E1
7
ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12D447CF-33D0-4ED8-A7DF-804883E1AE99
8
ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D0D2272-7138-46C0-86A8-46D239590839
9
ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3899AB84-47EF-4B2D-971E-F17B6BDCA841
10
ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E0BA054-71AA-47AF-ADE2-EC734AAAF003
11
ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F3DFA6A-EB24-4F59-BAF0-0A0DCBF941D9
12
ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E094D1C-8D0E-433A-A651-9865AC049CC3
13
ny avy amin'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0ED94E7-87B2-4ECA-B820-B44BEC022CB6
14
ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FC04835-8939-4E8D-B80A-5B467E82530A
15
ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF888C31-AD45-4276-9C79-C8F66B2EACA6
16
Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCC86C20-60F8-4C6A-8BDE-6E1AC95F1BEA
17
Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|152150FA-5F65-4B41-827E-F47085433D3E
18
dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B317CBB-A38B-4DF6-B4BB-28F0F82D292E
19
Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'i Sinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DBC4286-111C-44FC-A831-E218AAFB02BB
20
Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9263BF75-9CB4-49C9-A570-6B5C21CD9DFE
21
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5EAF28D-586B-4FE6-A7B3-6922FBC65858
22
Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51508AAC-69C9-4266-BE01-6902C118D4E3
23
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA447B27-05BF-4E98-859C-1566B6A026C9
24
Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23DC409C-0064-40CF-A4F7-71A3672B45A2
25
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68B12E34-ED01-4E96-B969-6A92154BEEE5
26
Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3E4C5B1-6FCB-48F8-A797-EE103EE39BCA
27
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|140EE011-5483-4AF2-8A36-7AB0BD713A06
28
Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|697B80C8-083B-424F-B6E3-A50C59E67A00
29
izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F6E97CC-0F67-4D5D-B9BF-F95A102A5AA6
30
Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ECD6B38-FF49-40C3-8C36-2842BF6F2760
31
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B0DC657-713F-4220-AFE7-C25E4FDF3AA9
32
Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97035C07-4538-4F49-A913-CB6EA5CD92E0
33
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B349D9A-461C-48E5-B0FF-E1F6862F3C8E
34
ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D94217B7-C1F1-4129-9411-773672AB4BE7
35
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|154CAF27-CFC4-473B-BF71-FA78B2AF9192
36
Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99CCC920-18E2-4A40-8C8F-32A49DA0CE84
37
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F31E352-BFA0-4A5F-913E-B7CBAABC4E59
38
Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8BB38E3-D431-4E76-AF4E-6C5D913C2FD4
39
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF4C0C81-2660-4FF6-8986-3E522AB5809F
40
Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A3C4C55-AE2C-4E13-9AF3-D04C3E99C40D
41
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB450E5C-AD81-4C16-9271-507F640E11E4
42
Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFD6816E-60DB-4D06-8DE0-91D6E362BE42
43
izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|592A34D5-14C6-45EA-88CF-22551D79E78B
44
Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5530F336-461F-467A-BAF7-685639219B01
45
Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F618970A-EEF1-4E2D-BD80-F864A2DD3B0C
46
dia dimam-polo amby diman-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71BD6DCF-B128-473E-8634-AF76D29C7C50
47
Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|233695A8-6EE4-4B72-8C5A-1403E07D38C0
48
Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C564CDB-41AF-4C7C-8793-3DC269EE8DFA
49
Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|677F537B-BB1F-438D-8717-AB59B6A41148
50
fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona[ Dia ny Didy Folo ] sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C527C804-4038-47B2-9F09-DE0D8060D7BC
51
Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9A02F43-6C55-4099-93B3-F8C9B299F544
52
Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany avy, araka ny antokony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16B69288-EBF7-42B7-A3A3-C0AC460F3463
53
Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona,[ Dia ny Didy Folo ] mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.[ Dia ny Didy Folo ]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1887819-7FD8-4425-9569-4C5AD7F9E26E
54
Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91CF11C6-1298-489E-9F47-749F5D75BD06
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany