Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A12D3125-C342-4591-9A67-F71B6AA67BE2
2
Samy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAD1A673-569D-4973-A3E5-27EEDBA81AB4
3
Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|528748C4-2638-4608-9BE6-6AA72FA4EBB4
4
ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE8EF882-94AD-4909-8394-074A1A192F12
5
Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BC79E63-88EC-4433-904E-02FA8FE18772
6
ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D481351F-3608-476E-B588-7661850DCA26
7
Dia vao ny firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC67121C-B6BA-4CED-8342-011DEAE839C1
8
ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9674A5F4-7386-4E39-AED1-7F748787FCDA
9
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-làlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9613E5EB-5702-41B9-85C9-263A291E5F23
10
Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3503A68-58E1-4A59-9700-44ED0E951E2C
11
ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1587622-9126-4A3C-8FF9-889BCA9CB967
12
Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCCC10ED-AC52-45B0-91C9-B715F013B75C
13
ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAC0D0B5-A9C3-4530-8552-09ADEFE8257B
14
Dia vao ny firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;[(Doela).]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0D5BEA6-1FAD-4E04-AD85-ACDDD8D9C026
15
ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C3BA078-9699-421C-AA71-1C6ABDEA9558
16
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A705BA0E-27F6-4CCC-853D-FDB54A9C66BB
17
Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4BAD3CC-8498-4174-A480-0C9FAB1505D3
18
Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|981E1F86-FD0E-4D5D-8B81-04A4EF8247FE
19
ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0B2E7AA-2490-4C5B-8239-CE64A2400C03
20
Ary ny firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i Pedazora;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1126CA87-9B17-4B16-9385-21742F59E769
21
ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1764A74-AC44-4ACD-B3B7-989D723F3049
22
Dia vao ny firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61C042FA-78A2-4C42-A9C2-E374AD1194D2
23
ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC81CECE-D7EC-49BB-A304-B59D0BD88ED7
24
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD7FE951-DDE7-4A49-A074-4CDA7BD14213
25
Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7EE370B-1AA5-466A-AEAF-FAFDBCC795EE
26
ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9307A5CD-846A-4434-8E2D-E3F321C14EFA
27
Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53A749BD-C43B-4126-97B3-0EF88D905A15
28
ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5A1713C-EB7B-4813-9440-8202355A53E4
29
Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0421CE0E-C0BD-499B-B277-40019A960D46
30
ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56474699-9CB3-410B-9548-CD63A9F9FFA9
31
Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-làlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|279E93C8-A196-4C4E-946C-E1011BBD00AC
32
Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC8DE8B-EF6C-460B-A6DA-A3C747F59116
33
Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED3FCCBB-E430-4235-A5F8-441E1FB62BB8
34
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8CF7748-F1F3-42B4-851B-6BB9E6D6651B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany