Matio 1: 18-24

Andininy
Protestanta Malagasy
18
Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao : Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73DB98A8-CEE7-40A9-B80C-6147596B9A5C
19
Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97CBC564-38FF-43A6-A5F3-292A94E93484
20
Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe : Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao ; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EF1623A-0BD9-4FF8-82AB-1F12A57AC723
21
ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87C6BE74-782D-4C80-B3FA-57B7E0DD03C3
22
Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33075F27-80D5-4563-AC3E-043550E395F2
23
Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela ( Isa . 7.14 ), izany hoe, raha adika : Amintsika Andriamanitra .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9426798C-2A95-4132-A8D6-0F26D91332DC
24
Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo azy ka nampakatra ny vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E44DA5F-A69B-4B38-9489-4232824D7628
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany