Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4272DBC5-D62E-4139-8FDC-F6C71AD562F8 2 Ary izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CE23997-4FFC-4759-8A8D-8B1C99ABCA7C 3 Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9734628-6CB6-4910-B015-833F8177F302 4 sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2173BF48-4EB0-4C2E-BDB6-99DBC5AC8E3F 5 Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny làlan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F539EF5-74E7-4C5A-BAB8-EC7BFB6C0CA3 6 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'Isiraely. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31BDFF53-7A51-4E66-B821-E538EF393AC9 7 Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA5835D6-7997-4715-9F52-A7F84438DD83 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|450CA7D8-F425-497B-AA3E-C4EE88643B4D 9 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|966461DA-5994-4359-A7F9-49B087775180 10 na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43F6B11E-FF41-48FE-B1BE-B2201499247D 11 Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay mendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|885CEC67-C568-4343-B347-CB24CF12B82A 12 Ary raha vao miditra ao amin'ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC53B93B-32C8-4B3A-889E-62980DDF8D9F 13 Koa raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|806FCA5A-9BA1-4EBC-9939-90927EC9ABBA 14 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD5C0561-DAA1-4D81-BA78-3815557C6D03 15 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79234CAB-CB33-41E2-A682-0AA1714253F6 16 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9887BFA5-323D-477F-8AC3-24455CCC4688 17 Ary mitandrema hianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany hianareo; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C14B514-E9B7-4813-B309-9D37888DEEC7 18 ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48E25204-2E5A-41B1-B71A-E9DAA31B8EFD 19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; fa homena anareo amin'izany ora izany izay holazainareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3BEBD58-4E4B-4A71-B3E9-A842028F1A4F 20 Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6580B28D-FBF2-4E85-87B7-4EBF3DE5B5C3 21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E2F7FC1-99EE-4BD2-BB95-196B1B308AC9 22 Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBFF6545-A079-417D-9BA0-AE2B66B52A25 23 Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona, dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely hianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|410AB68C-F623-40C4-8B80-79B2389D7884 24 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5E5B43E-93E8-4D0B-BD2E-082F395616A8 25 Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA56D094-AA14-41A1-A532-E37025B5A009 26 Koa amin'izany aza matahotra azy hianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE78E4FE-4669-4DE9-B224-A89538C0DA86 27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3909200-7AB8-46E3-9171-24386B17A053 28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91908B74-0869-4A09-BE96-8630E834463C 29 Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AF410D9-CF5F-40A6-B017-EF8164F85C76 30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF24F03B-7AE4-4AD6-9D7B-D5B57F1B0EEC 31 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|296416E7-DAF7-43BD-B106-82E3BEDA16E5 32 Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|671F4EB4-9CFF-47F5-AE43-7A7EBFB8AD60 33 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F6A0BB1-9035-4A96-A7B3-AB22B78CC1A0 34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6312A59-C8A8-48B7-B418-375427E1DEF3 35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67F94C46-17F2-4673-A6A5-D04A087A3212 36 ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.(Mik 7.6) qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|454A5173-9611-49C1-979D-5E4561AC74D0 37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ADB5883-B04B-449B-B084-5E60F79822D7 38 Ary izay tsy mitondrany hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ho Ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2100D309-303E-4625-BAE5-AEABEA697726 39 Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09D9C05B-D64A-4C5B-A514-9C6DF0014BFC 40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68AE68FA-DF70-4D7A-BD00-EB855DD1856E 41 Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2781BEC8-3A55-4219-B5C5-2F9878981684 42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A10933F-EB88-4D49-B208-1337B78C92A4
|