Andininy
Protestanta Malagasy
20
Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8596B8FC-9215-4F77-9C41-0CFE798A093E
21
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, re Betsaida! Fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62C01C30-BF10-4981-BFDB-EC444F511545
22
Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71FE9B51-F436-439D-80C3-D7EEBC58B80B
23
Ary hianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va hianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita hianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE24A647-8C12-4135-A969-C530FE9918FA
24
Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0ABE7F2-819C-41A6-A907-00166741CCF3
25
Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFFB7E8E-C5D0-4AA5-9C88-C075785C1C5D
26
Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A6318FF-B9F4-42AB-9714-DFC50B325155
27
Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89D88548-0FFD-4040-865B-683FF0715B37
28
Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9B31ACA-7DED-47E2-A68A-2DAAC292534A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany