Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E335C2A5-AE83-4653-8E1B-27537DCEAEF0
2
Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A3FD8AC-B09E-42CD-B6EA-5FE24521D422
3
Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B425BE93-7428-4385-A764-3150442CC41C
4
fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2411AB59-5045-479E-96DD-A058ADCB2DE3
5
Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FA518A3-6511-457A-9502-16359B435521
6
Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7D6163A-05C1-43B2-A952-7C5433E17206
7
Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra (Hos.6.6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B973D979-97EB-41D2-8F70-57D8EDFA726C
8
Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6FCBB2B-3B57-4412-9134-D90D667E2491
9
Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F178F52-497C-4573-895A-CF0CC88DF149
10
ary, indro, nisy lehilahy matytànana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EE4529A-D495-4376-A560-232E022A2AB6
11
Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5F7B713-0EA7-4B7B-8890-B85507428690
12
Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44057576-AD1A-4758-B548-C235056262D5
13
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A205A231-8C25-41BB-8A3C-AC8B7FD24DB6
14
Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D27D6AD-F8AD-41E4-95D6-203150A34831
15
Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E97EC358-5A09-4477-A2B8-6F326688A857
16
ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9737C5DB-2099-47C1-9348-1CE6015F9E5B
17
mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA35F7BF-ABDE-4963-B5F1-F1A9558C9E0D
18
Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin''ny jentilisa Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|475DDE7A-1AE4-4C83-9E6A-170FAFEA61A1
19
Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dàlana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AE37912-9549-4F03-AE7A-C60A4017EE10
20
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4F3648D-BC38-446D-A270-F2646BD33E24
22
Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34F07AE6-5DC1-4038-A80F-7792D5132F0B
23
Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3F09993-AC9C-4A7C-8AE6-255A536A1AC6
24
Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CB61A3A-6730-49BE-AC1B-33BEECD5B60A
25
Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD937418-745F-4825-A7B3-C2E677E6B9C4
26
Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07AC4E77-76BB-4D45-9578-DA81B50CF9C9
27
Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? Ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4F67464-1560-4944-B9A5-37E27582BFA9
28
Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E6538AD-7656-4E0F-A8C2-F70434DBE89D
29
Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? Dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFB2BCDD-B95A-4C2B-BC4C-4E0C9954F4AD
30
Izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E4B9F46-97DF-460D-9C5E-8719AA57F17F
31
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FA59F2D-A904-46ED-9FE9-D08CBB66F8C0
32
Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BF229BB-463C-4EE1-97B7-070DDF3C9D24
33
Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D589887-FDDC-4347-AAF7-D2E731419988
34
Ry taranaky ny menarana! Hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? Fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B862028-983A-4643-926F-0F8899609823
35
Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E36123C7-7921-49C0-BF2F-999A0D020457
36
Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E742E3D-9671-4BCF-8192-4B7C1876D41F
37
Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF897370-3F1E-46C8-A8CC-8A3E19A447A0
38
Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9DA086B-03F2-4B00-8461-E574223FDBEF
39
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|864CB1C2-79A6-420B-B174-272866218B3A
40
fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|047D282C-2243-4BC8-ACFB-4A157BF70F0C
41
Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CB59DF0-2568-4E5E-9C90-5E4BEA2DB98E
42
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren' i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AEBEC58-2C9F-4C44-8E99-9CB9BB305E0E
43
Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89106C0A-F51E-45E3-ABCF-08B5D872B252
44
Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCB55321-6844-4604-A4E0-239611224492
45
Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB6B58C5-4006-43F6-ACA4-E5A810252A47
46
Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin'ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48BFB3FB-0D7C-4A23-B06D-9C15DCD7E048
47
Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indro, ny reninao mbamin'ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AD23D71-F49A-4A0C-8F71-AF0BEBE42EE7
48
Fa namaly Izy ka nanao tamin'ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko ary iza no rahalahiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D8889B0-EA16-41C6-A40F-0A7BC0029214
49
Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B6AADA9-23F2-4D83-BE7C-ABAA3D28C310
50
Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|694F6810-847F-4B52-94CE-47B1C16BDD14
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany