Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C5398AF-1070-4902-9F6C-2ABC454738AD 2 Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EE1BE32-6884-47DC-970C-5AD2CD53E781 3 Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2B2F775-8644-46E2-9703-0923897F5157 4 ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dàlana; dia avy ny vorona ka nandany azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B94607F-1E40-469A-806C-7F3FAAEF3661 5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EF7BDF8-A019-4D38-BE3C-C034000759CD 6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F257032-4348-4BC9-9A48-68AF6C0CAAC9 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|640ED0F1-0872-44CC-BC5E-0F3B24E6BF93 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6480EEFE-0AB2-4663-9864-73309026CE33 9 Izay mana-tsofina, aoka izy hihaino. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED599F0-FCF2-43F5-ACA2-963A76535C69 10 Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5ECFB93-7C0C-4F49-9352-2C034F97DB44 11 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B61FBF28-AC24-4669-A8B0-4C19F806099B 12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCE9A2E2-AAEC-4B31-80E4-97B13FFD5ECF 13 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF6BF83A-4ACA-4AAD-8C30-31F9B55D8267 14 Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: " Handre mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahafantatra; Ary hijery mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahita; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3498E83D-3161-44EC-BC6B-64968BCDED5F 15 Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho" ( Isa.6.9.10). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA9BA5D5-9A65-4452-97F7-E94AA788C477 16 Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|040B7DAF-DD27-48B2-BED1-8B2FA7B02EDF 17 Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6234F82-3964-42B0-A7D8-3EEE97FA31B4 18 Koa amin'izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin'ny mpamafy: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA676D89-2A6B-4BE0-8AE6-A0BE67DF6124 19 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dàlana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A1EB775-C87A-4B96-846F-570FF950C8AC 20 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3343659-D47C-476D-961A-DF983B32F873 21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28727F2A-00C4-4288-8875-46C7379B73A7 22 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6600BB19-7B42-491B-8698-BF5FB6450F89 23 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45958414-4789-4830-86BA-414EAB6B94FE 24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3F43DC0-FA5A-4B90-9048-E51FA273817D 25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A710E63C-C5F0-4818-AE76-B89288BFDDEE 26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF767A6E-86AD-4ED5-9BAA-A8614CF30EA5 27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? Koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1A10FB8-F65D-4BFF-AD0F-2AC168986ED8 28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF5D68AE-5D79-40A8-A6D6-C301CD6BD374 29 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary hianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|905E758A-4716-48FC-9A69-1D2317E67265 30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana ; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD9D656C-2489-4EF1-BDF8-28B71ACCFCD5 31 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6D70353-2E1E-47FE-8B46-2FD7D43017E6 32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CDCB60F-CB22-4922-BF91-1280EF8A5EDA 33 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56BAE735-AAF6-4DD5-9BA8-FF50B7D11AFE 34 Fanoharana no nilazan'i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin'ny fanoharana, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D378EBC7-E91B-4B8D-B6C5-CBA59F943242 35 mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho ( Sal. 78.2). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED8EF40C-D8C7-41C8-B883-9284457EC574 36 Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|039FD618-87CB-4192-BA97-9776027630E0 37 Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|557B3A22-4CE4-4158-8B12-D67B1008271B 38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF9670B8-2900-4C95-B116-74A8E68BB930 39 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F420D38A-F0B9-46A7-A27E-964EF6C403E0 40 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55B7F8FF-ECFE-4492-A5DA-FB2C5FE33474 41 Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39F0AFCB-A36E-4DBD-B64C-C2925643D5F2 42 dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1535D5EE-5EB2-407A-A956-5C2BCC0C9D2B 43 Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64F3D345-3076-42B6-A5CB-8DF6ADD7D59D 44 Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|295E352E-CAFF-4DE7-81B9-7FAC989FB0C8 45 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B195C5F3-10BC-4C65-B612-1BD842096BA0 46 ary rehefa nahita vato soa izay saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|930DEAD3-7CC7-4875-8895-3BC86CF74FAB 47 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79CB55CB-0207-41C5-8CBB-CA74FD6294D3 48 ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6216FACA-2697-442E-8F16-602202DB87EB 49 Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5301748-BBE3-457F-B310-ABF69DC899C0 50 dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59BBB0E6-09D4-4778-BBCF-67EACFB70591 51 Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75D63DCC-098B-4A3F-B1A6-BB06D6D40360 52 Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8227426-EF59-4501-985A-611AC95AA4B1 53 Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94C2B8C7-61D7-413D-9E16-04C3505084F6 54 Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'Ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF921E29-90BA-48C9-A40F-6EC251FA4677 55 Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA09740B-BA23-4111-95D5-2FF9C63FA119 56 Ary ny anabaviny, moa tsy ety amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan' Ilehity izany zavatra rehetra izany? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60D897DD-8A66-407A-8137-942AFF1C6688 57 Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52E5BADD-AD4C-4F44-9DC2-91684D727091 58 Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63833BD7-6745-4CE2-86FC-FBED09CE1869
|