Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan'i Jesosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|049822CE-175E-4C48-8467-DF7E549B4639
2
ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9C80B48-31A2-4F9C-89F4-48AE1BDF0DBB
3
Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2090B6C4-C93F-4CB6-A3B0-5B76FE2B37FE
4
Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso hianao, raha manambady azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20738E35-3D8A-48BD-B28C-707B003F7EF1
5
Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany Jaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DCB750E-FF84-4485-8231-5AD6BB51BBD2
6
Fa nony tonga ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i Heroda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B4744FE-1041-43BB-8223-3738FE502A9F
7
Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E62937D2-18E3-4DC0-AE37-69CEBACE44E9
8
Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38434D13-9E0F-4FE1-8D10-283313735577
9
Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A6A3DB3-B692-4C74-8377-94FEED5E2C9C
10
Ary dia naniraka hanapaka ny lohan'i Jaona tao an-trano-maizina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A07E63C-BC35-487D-A800-7C6F119AADC0
11
Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|271A7C8C-B37D-44DB-AAFB-DF192C3BB199
12
Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6E0AEAE-6233-4C85-A5C2-0D698A756450
13
Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B53C9C7-9A78-42D3-AC8D-0A34E44947BD
14
Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD3984F5-C18E-4C36-BBB1-EEC46FE34F9A
15
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B3E649D-ED4B-4954-B0A9-3A81BC4DF180
16
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3716B7C6-F9F0-4729-93B6-F1C8091A9128
17
Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy aty aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA10F488-199A-40DB-9173-11B65A935C7F
18
Ary hoy Izy: Ento ety amiko izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|721CC9C1-A007-4F6A-AFA9-9C52777A6EE1
19
Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra; ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E1F9345-2F92-46ED-A6B9-B898CE087DFD
20
Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D8E3AF8-E816-4350-A215-79A3767577F8
21
Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5C80AD0-31A4-440E-A60B-8C5F372C0ECF
22
Ary niaraka tamin'izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0342F0F-4D4F-4A4F-8890-FB3F6ECF71D4
23
Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9EA3F8F-34C4-45D7-A405-EBBC77958397
24
Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5E8DC6B-7176-4805-AB42-D936B39CA05B
25
Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E37BDAA-220B-4838-BFBA-F339FE675A46
26
Ary nony nahita Azy nitsangantsangana ambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48904655-6A91-49C7-8800-949B08382D70
27
Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6084D7A-5691-476F-BA12-A44635E9B3FE
28
Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|794A52F3-C8D1-492C-A87A-B2C230F541F5
29
Ary hoy Izy: Manatôna. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2198AD77-D50A-4E63-9FEE-66143EAFF4CF
30
Fa raha nahita ny rivotraizy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D50C58F3-DF0E-440E-B516-346E425AA909
31
Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01DFBF71-1A7E-40BD-99B3-DE0BAE638D52
32
Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A3F3B49-F083-4D1F-9119-74F94F13745C
33
Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35626619-CBB3-409D-8542-825ABB04D032
34
Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB13A011-8C28-4188-84E0-6D2B40181B38
35
Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6EF9311-642A-4280-BC11-FFC731850F63
36
Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42AD6B09-97CF-47F3-8EB6-351B259B8465
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany