Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nankeo amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68A327C9-DD06-411A-983A-A4CB337D36D7
2
Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tànana izy, raha hihinan-kanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3314A18-CDD3-4AD2-8582-865EDE652580
3
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1548DC8F-11E3-409B-A4FB-32072DAF3424
4
Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks.20.12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks.21.17).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|990C64B0-6815-4821-B4EF-654910698056
5
Fa hoy kosa hianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: ' Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko', dia tsy mba hanaja ny rainyakory izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD6C781E-9F6C-4BC7-BDB3-54718E1C765B
6
Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8871A15A-3A9E-4A0A-8D0B-E8CF590F8496
7
Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69F003F8-7D66-4E00-8828-143BB58BF66B
8
" Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|742C088E-992E-4D52-AB03-CECE11E4F4BB
9
Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy" (Isa.29.13).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5F381C3-D1B9-4342-9634-BB4D45613137
10
Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B933B5E3-A91F-4295-9925-A78562D195C5
11
tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE847D35-4EF9-453A-9A44-E109FFF28082
12
Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3178048-7278-4026-A5DB-1FB7B89D790B
13
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A4F7B73-D5A3-419D-B2FA-A48AE4866829
14
Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CB71785-90A3-4CD2-9B5E-085B48B85E4B
15
Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr'izany fanoharana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|946DF2C5-64EF-4902-810D-FECB98744EE0
16
Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44E30B27-B81E-4BA4-AA39-97280A786B99
17
Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8EFC464-DCF6-4C5C-9FAA-8EC483EBF309
18
Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84854723-511A-4C2F-9AE9-3438816EC275
19
Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, na fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1255302D-4180-4D42-8A74-61E4339537A7
20
izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tànana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D32685A-5322-4F5C-B442-FB11E67323E2
21
Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6243E8C1-1F9A-4D57-A746-567F29F8A7A6
22
Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F98263C-6064-4991-9B83-674EC122675F
23
Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AC5D31A-6E46-4CC2-93CD-C7D28BD1C1CC
24
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6C2420A-7FC9-40AF-B666-FE627F491301
25
Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|072F4EA9-63CB-44CF-B894-C092BEE6FBC1
26
Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B6A30B2-ED80-439E-A76F-0343D52F48A9
27
Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A987DDB6-30A0-458C-8F5E-28F7FD2630C9
28
Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanani-vavy tamin'izay ora izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA11C3A6-64D4-4432-980E-3AA7E41FF197
29
Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96D4C2C7-5925-4B79-9F94-A162563C9A9C
30
ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F20DDE4B-66AC-41CE-85CA-4D3BEA322364
31
ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|645D0D32-3D06-4D35-BD17-B4F8634F36DF
32
Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana taty amiko izy izao ka tsy manan-ko hanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dàlana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA352B87-559C-4103-890D-504483109B9D
33
Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo aty an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F2D8DAE-CE5A-4E51-A089-3F1D2C9421B2
34
Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5584ADE-74C0-4214-BE6D-A7A1DAF0EA92
35
Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A23F81-3703-4EC3-B78D-A7E6B54D59EF
36
Dia nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an'ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6202C7F-E233-4545-8F83-902904F48AB6
37
Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7826A1A-3EF5-483F-8899-5DBF2A107E88
38
Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6363F90-1349-4587-8C1B-03CDB6FA4728
39
Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|502C0007-C234-42E3-9861-AD5F8114C3B9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany