Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|237CC3C9-64C6-4BC4-8FCD-3AA9E24332E6
2
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy hianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64DFC142-610D-4B39-B2E5-14DCB8469B0F
3
Ary nony maraina, dia hoy hianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B291980E-0AA9-41CF-9B82-F6C348144D56
4
Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7699346-512A-48FD-A5C8-10C1FBE57109
5
Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32ADC99F-3203-4F76-832C-E72663D7FBDA
6
Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema hianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BF12AE7-D564-4BDE-8BE4-C812066BE82E
7
Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C934451C-8FB9-4AE8-B9CE-071C9E2D834E
8
Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana hianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8E4C64D-2EC0-4E9C-B26A-EC33AAF91A1D
9
Tsy mbola mahafantatra va hianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|974D2FF7-2F7D-4F9A-BD22-63580E488D4B
10
na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7B97EED-51B1-4013-A5F1-975F45AA4833
11
Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70ECFD70-C136-4CBB-A7A1-91EDD26A0F52
12
Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azon'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E15B2BDC-C483-4B5A-86F9-AFF1BB16EE9C
13
Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin' i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moany Zanak'olona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|256AE24D-295A-48FD-91EB-9C2BB9FE8321
14
Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14E8EC96-1F60-495F-B44A-CCE37875802C
15
Ary hoy Jesosy taminy: Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE2CEA68-D7E8-4F46-9B34-DA8C347514EB
16
Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D85A009E-BA29-4533-A03A-9387B7926610
17
Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA7CFAC0-681B-4DF4-B1A5-6010C661F036
18
Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B31F2694-0423-41C1-AA24-AFADA28ED9F5
19
Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19ACEA16-1664-4D29-B797-94F67AD2DFF6
20
Ary tamin'izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin'olona akory fa Izy no Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B6C294E-75E9-40F1-8C8E-4E35315A065D
21
Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2256F1DA-989D-4275-BEFB-FB0EAB115F89
22
Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBE38F0B-6184-446E-9DE1-698FA9C534CE
23
Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an' Andriamanitra hianao, fa izay an'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EDAF59D-6A47-4489-B770-61679B018570
24
Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65285F40-99CC-4B36-BCDE-7D57ADF2E003
25
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6063227D-AEF8-4C4B-BD13-E6447D236F80
26
Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|838350E9-C9DB-42C1-8549-8D4A515B3F99
27
Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|628B6128-0DA1-4A46-9A34-DE79F6E5FEE9
28
Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7706F128-3413-434F-9381-BBA2C7A852E0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany