Andininy Protestanta Malagasy 1 Tamin'izany ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17F37B0A-D75E-45C0-B176-A07A3205CF1A 2 Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CDD8562-F3F6-474D-86AC-2B98A7E30F64 3 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00AC9E9B-B418-41BD-9DF0-DCB3624EB19D 4 Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8743D511-CE72-4D97-B3B5-6BDE6F584C01 5 Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C87FC2D-7D7B-45E0-AC02-48CB9F6AD1A4 6 Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B681ED02-33B9-4FDF-A830-8EAA3CD8A73F 7 Lozan'izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan'izay olona mahatonga ny fahatafintohinana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|285AD8C3-B4E5-43F9-B796-37DFF9CFD19D 8 Koa raha ny tànanao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao, fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tànana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC704733-0785-4A3C-A165-4E837807FD26 9 Ary raha ny masonao no manafintohinana anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA116423-3CD5-48EC-9EB9-CC06AF08A2FC 10 Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny hianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FB6CEA8-0BD5-495B-A32B-597D7073CF46 11 Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74F38403-417C-4C82-B2B1-978404C1EE84 12 Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray, moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania ? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4373E92-3620-44AE-AAB0-76397BFF02A3 13 Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivi-folo izay tsy nania. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE7D254F-4BCD-4426-86F3-E2F5D98D7130 14 Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia izay aza amin'ireny madinika ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F039C380-47C0-4135-BC5C-699C6055AD47 15 Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F7A379F-44DC-48B6-84B7-5273B14AC2E3 16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ( Deo.19.15). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8693DE3-96DF-4B7B-9A10-6E2EDF2990E4 17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3763EFC2-0ABA-43AA-8004-13751678DA2C 18 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0904C7A8-DB1B-412A-9982-8C72806076F9 19 Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42F6F99B-7A2C-49AD-9BE6-0B2B87B44447 20 Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47627D8C-20ED-4D56-88CD-E9AB0DA08DE5 21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe : Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB4C8F09-6FCB-4E1F-9F14-06051A4780F4 22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E41CE02-E25D-41FB-B31E-E2C75D7B3D95 23 Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D197E344-88FF-401F-A33D-AB08CFFBB8AC 24 Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A942A88-8B13-453A-856F-4150C29867A1 25 Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8F4C88E-BD9B-43A7-9F6C-84E57D296E57 26 Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45A2D5C9-C355-4FBF-BCAC-78480CE87D8E 27 Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|216B7AE2-1B5A-4C07-B48F-477CE395435F 28 Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denariazato taminy, dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1E17081-1FF8-4BF4-906F-64781524D88F 29 Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FBD8A92-B2A1-4449-8727-E0BADA2325E9 30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-trano maizina mandra-pandoany ny trosa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F47B0BA-8F49-4731-BEE6-B2719AEFC91F 31 Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EADAED26-DA4A-4754-ADB2-5F164701D329 32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BF07C59-AEA6-4B8A-879F-554DC209D909 33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4195D7B-696A-4DBA-974E-5933F982BF47 34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C754B896-7F35-42D7-A4F6-B7C81403332C 35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33013E9A-840E-4EEC-9152-0C57D6D53CCB
|