Andininy
Protestanta Malagasy
15
Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F7A379F-44DC-48B6-84B7-5273B14AC2E3
16
fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ( Deo.19.15).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8693DE3-96DF-4B7B-9A10-6E2EDF2990E4
17
Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3763EFC2-0ABA-43AA-8004-13751678DA2C
18
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0904C7A8-DB1B-412A-9982-8C72806076F9
19
Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42F6F99B-7A2C-49AD-9BE6-0B2B87B44447
20
Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47627D8C-20ED-4D56-88CD-E9AB0DA08DE5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany